TSELATRA

Mpandeha taksiborosy iray no very sakaosy lehibe teny Fasankarana, omaly maraina. Niainga avy any Manakara izy, afakomaly, ka teo am-pahatongavana vao nahatsikaritra fa tsy hita tao ambony fitoeran’entana ny sakaosiny. Manahy izy fa very nandritra ny fampidinana ny entan’ny mpandeha izany. Nambarany fa misy antontan-taratasy momba ny asany ao anatin’ilay sakaosy.
Lehilahy iray mpiasa nanao fiambenana tao amin’ilay sinoa ihany no namono nahafaty azy tao amin’ny fokontany Ivoara, kaominina Masindray, afakomaly. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana izany. Nilaza io mpiambina io fa nanadala ny vadiny io sinoa io ka nokapainy ny famaky ny lohany. Nafeniny teny an-tanimbary ny fatiny. Nosamborina ihany koa ny vadiny.

Partager sur: