Faritra Itasy : natolotra ny drafi-pampandrosoana

Nampahafantarina omaly, tetsy Anosy, ny drafi-pampandrosoana ny faritra Itasy. Jere­na manokana ny sehatry ny toekarena, ny sosialy ary ny tontolo iainana, izay nahazoana tantsoroka teknika avy amin’ ny Fandaharanasan’ny Firene­na mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD). Hianto­hana ny hoavin’ny mponina amin’ny alalan’ny fitantanana mahomby ny drafitra napetraka. «Tantsaha avokoa ny 99% ny mponina ao amin’ny faritra Itasy. Tombony manokana ho azy ireo ny fahafahany manatanteraka ny asa sahaniny andavanandro», hoy ny fa­na­za­van’ny sekretera jeneralin’ny faritra, Rakotomalala Louis Robson. Ankoatra izay, manaraka ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) avokoa ireo rafitra vaovao napetraka raha tsy nisy izany teo aloha. Fohy ezaka avokoa, araka izany, ireo tetikasa mandrafitra ity drafi-pampandrosoana ity. Ao anatin’izany ny fomba fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny fananganana ireo fotodrafitrasa maro ilain’ny mponina.

Vina
Niaraka namolavola ny drafi-pampandrosoana ny faritra Itasy ireo tomponandraikitra samihafa sy manam-pahaizana momba ny fampandrosoana ary ny fiarahamonina. Voa­faritra ao anatin’izay ireo paikady sy tetikasa hanatrarana ny vinan’ny fampandrosoana isam-paritra. «Hiantoka ny hoavin’ny mponina amin’ny alalan’ny fitantana mahomby ha­tramin’ny taona 2032 ny drafitrasa natsangana.», hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny faritra.

Henintsoa Hani

Partager sur: