Taninketsa indostrialy : hanohana an’i Madaga­sikara i Japon

Ao an-damosin’i Madagasikara ny firenena japonais amin’ny fampandrosoana ny tetikasa “Odof”. Zava-dehibe ny fisian’ny mpampiasa vola sy ireo mpanosika tetikasa matihanina. Mitovy fijery ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana sy ny ambasadaoron’i Japon, Abe Koji, nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta, ny alarobia teo, tetsy Ambohidahy. Hanampy ara-teknika amin’ny alalan’ny fanohanana ireo kaoperativa sy ireo tantsaha eny ifotony ny firenena japoney ho fampandrosoana maharitra sy mahomby ny sehapihariany avy. Nitondra paikady sy ny dingana vitan’i Madagasikara amin’ny fametrahana ireo taninketsa indostrialy ny minisitra nandritra ny fihaonany tamin’ity diplomaty ity. Ankehitriny, miisa 51 ireo distrika nisitraka ireo milina mpanodim-bokatra eny ifotony entina hamalina ny filan’ny mponina andavanandro. Indrindra hialana tsikelikely amin’ny fanafaran’entana sy ny fiankinandoha amin’ny any ivelany.
Hiara-dia sy hifanohana ny andaniny sy ankilany amin’ny fampandrosoana ny indostria eny ifotony izay antoka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena. Noho izany, hidina ifotony hijery ireo taninketsa indostrialy ny minisitra Razafindravahy Edgard sy ny masoivoho japonais.

Henintsoa H.

Partager sur: