Angovo azo havaozina: tohana ho an’ny orinasa madinika PME

Natao ny zoma 26 avrily teo, teto Antananarivo, ny fanombohana ny « Fandaharanasa tohana ho an’ny mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina maharitra » (IED). Tafiditra ao anatin’ny Famatsiam-bola ho an’ny mpisehatra voakasika amin’ny angovo azo havaozina (FIER), avy amin’ny tahirim-bola ho an’ny Tanjona ho fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny Firenana mikambana.
Nanokatra ny atrikasa, Andriantsoa Thierry, sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Tanjona ny hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) sy ireo mpandraharaha manana tetikasa vaovao (Start up), maniry hisehatra amin’ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny lafiny fanohanana ara-pitantanana sy ara-bola ho an’ireo mamorona tetikasa.
Vinavinaina ho 80 000 ny olona sy mpandraharaha hisitraka ny tetikasa FIER. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD). Hifarana amin’ny taona 2026 ny tetikasa.

Njaka A .

Partager sur: