Beach Soccer – CAN 2026 : Tsy hita tabilao indray ny Barean’i Madagasikara

Notanterahina tany Le Caire, Egypte, ny alarobia lasa teo, ny antsapaka ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026) eo amin’ny taranja baolina kitra lalaovina ambony torapasika (Beach soccer). Fifaninanana hotanterahina any Senegal, ny 28 novambra ka hatramin’ ny 6 desambra ho avy izao. Nisongadina indray ny tsy fahitana ny Barea ao anatin’ ireo ekipa hifaninana. Ekipa
8 ihany no hiady ny anaram-boninahitra amin’ity. Noza­raina ao anaty vondrona roa izy ireo ka hiara-dalana ny Lion de Teranga Senegal mpampiantrano sady tom­pon’ny anaram-boninahitra farany sy i Mozambique ary i Ouganda, miaraka amin’ny Kintana maintin’i Ghana. Etsy ankilany, hifampitana amin’ny sokajy iray i Mauritanie, tompondaka lefitra 2024, i Maroc, Malawi ary i Angola, sambany vao tafita amin’izao dingana famaranana izao. Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 2018 no nandray anjara farany ny Barea. Indray mandeha nahazo ity Can ity ny Mala­gasy, ny taona 2015. Hatreto, mbola i Senegal no manana ny anaram-boninahitra be indrindra, indimy nandrombaka izany dia ny tamin’ny taona 2016; 2018; 2021; 2022; 2024.
Hanana ny lanjany lehibe ity Can 2026 ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hotanterahina ny taona 2027.

Tompondaka

Partager sur: