DAKA AN-JORONY: Zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany

Ndeha tsy ahodinkodina tahaka ny tandrimo ny resaka fa avy hatrany dia tsorina toy ny lalambe mikodana. Mahamenatra sady mahasorena ny mpanara-baovao ny mahita ny fanilihana andraikitra ataon’ny mpitantana fanatanjahantena, amin’izao fotoana izao. Tsy misy izay tsy maneno sahona ka zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany.
Mbola misafotofoto ao an-tsain’ny rehetra, amin’izao fotoana izao, ny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ho afaka handray ireo lalao iraisam-pirenena hatrehin’ny Barea de Madagascar ve sa tsia. Tsy misy mahavaly io fanontaniana io aloha, fa mifanontany ny daholobe hoe: Zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany.
Hifanilihana daholo ny zava-drehetra. Mitavozavoza amin’ ny fandraisana fanapahan-kevitra ka voa vao mihilana. Tsy misy hita popoka ireo miseho azy ho lohany rehefa hita fa ho rendrika ny sambo ka tsy zovy moa fa i Zoky ihany, zovy moa fa i Zandry ihany. Ny fikatonan-trano manginy fotsiny ka tsy ahitana ny marina. Misabaka etsy sy eroa, ka izay mahavoa no ametrahana ny tongotra roa. Manoloana izany, valalanina ny mpitazana ka miantsoantso hoe: Zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany.
Raha fisehosehoana ivelany, maro tsy tambo isaina ireo te ho lohany fa raha famahana olana, andraso eo i Paoly, hoy ny mpandrabiraby. Tsy zovy anefa no voa amin’izany fa i Zoky ihany. Tsy zovy no voavely amin’izany fa i Zandry ihany.

Toy ny mitondra fiara io, ny mpamily no tompomarika amin’ ny zotran-dalana fa ny tonga ihany ny an’ny mpandeha. Koa raha miala an-daharana ny mpitondra, hitabataba sy hikiakiaka ireo hoe: Zovy ê! Zoky ihany. Zovy ê! Zandry ihany.

Tompondaka

Partager sur: