Handball – “Licence D, IHF”: mpanazatra 15 nahazo diplaoma

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Palais de sports Mahamasina, ny fiofanana ireo mpanazatra haka ny “Licence D, IHF”. Teknisianina 15 mirahalahy tamin’ireo 18 mianadahy nandray anjara no nisitraka ity diplaoma ity, araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja handball (FMH).
Tsara marihina fa ilay frantsay avy amin’ny Fede­rasiona iraisam-pirenena, i Alain Desserten, no nanome fampiofanana azy ireo nanomboka ny 24 avrily lasa teo. Raha tsy misy ny fiovana,
min’izy 15 mirahalahy ireo ihany no angalana ny mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Akio, mandritra ny “IHF Trophy” faritra fahafito, izay tanterahina eto Madagasikara, ny volana mey ho avy izao.
Tsiahivina fa tsy maintsy manana “licence D” ireo mpanazatra vao afaka mitondra ekipa nasionaly. Tsara marihina fa notolorana taratasy fankasitrahana tamin’ny fandraisana anjara avokoa ireo rehetra nandrato fianarana tamin’ity. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ny taona 2025 indray vao hisy ny fiofanana “Licence D, IHF”.

Fitia Randria

Partager sur: