Lalana RN35 : narenina vonjimaika ny tetezan’i Berintsa

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalam-pirenena RN 35, mampitohy an’i Malaimbady sy Morondava, faritra Me­nabe. Raha tsiahivina, nahatsikaritra ny fahasimbana teo amin’ny tetezan’i Berintsa (PK 357 + 900) ny ekipan’ny Fitan­tanam-paritry ny Asa vaventy DRTP any Menabe, ny alarobia 24 avrily teo. Niteraka fahasahiranana ho an’ny mpam­piasa lalana izany, in­drindra ny fiara vaventy. Nan­dray an-tanana ny asa fanarenana vonjimaika avy hatrany ny orinasa, teo ambany fanaraha-mason’ny teknisiana avy amin’ny minisitera. Nosoloina ny takela-kazo eo ambonin’ny tetezana.
Mbola hisy ny fanatsarana sy ny fanamafisana an’ity tetezan’i Berintsa ity aorian’izao asa vonjimaika izao. Tanjona ny hisian’ny fotodrafitrasa mafy sady mateza, mba hisian’ny fifamoivoizana maharitra, ka mila manaja azy ireny ny mpampiasa lalana.
Fanarenana ny RN 6 sy ny RN 5

Ankoatra izany, efa mandeha ny famerenana ny fifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy ny RN 5, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo. Ho an’ny RN 6, andalam-pahavitana ny fivilian-dalana vonjimaika eo amin’ny tetezana Ifasy I (PK 537). Haharitra roa volana sy tapany ny asa hametrahana fivilian-dalana maharitra any Ifasy II sy Mahavavy (PK 568, 0A 47 bis). Hanao ny asa ny orinasa Colas.
Ho an’ny RN 5 (Ambilobe-Vohemar), hanarina tanteraka ny simba rehetra ny orinasa CRBC, efa nanao azy tany am-boalohany.

Njaka A.

Partager sur: