Rugby – AROI : Tompondakan’ny Makis vehivavy

Nibata fandresena miezinezina indray ny Makis de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina “AROI 2024”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, vehivavy. Norombahin’ny tovovavy malagasy mantsy ny amboara. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianja Casabona St Pierre, ny sabotsy 27 sy omaly 28 avrily 2024.
Tsy nisy nahatohitra ny Makis de Madagascar ary tsy resy mihitsy nandritra ny lalao rehetra nataony. Raha tsiahivina, lavon’ny Makis vehivavy, teo amin’ny famaranana, ta­min’ny isa mazava, 21 no ho 5 i La Réunion. Nanaovan’ny tovovavy malagasy fampisehoana fotsiny ireo Réunio­naise. Nahery tao anatin’ny hazakazaka sy ny dona ny Malagasy mpilalao, izay nanahirana an’i La Réunion.
Tany amin’ny fifanintsanana, resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 26 noho 17, i Maurice, avy eo nanamontsana an’i La Réunion, 33 no ho 0 ary nanilika an’i Mayotte, 38 no ho 0.
Nandiso fanantenana kosa ny lehilahy, satria lavon’i La Réunion tamin’ny isa 10 no ho 7 ny Makis. Tsy nisy nanam-po ity vokatra ity satria efa resin’ny Makis izy ireo, tany amin’ny fifanintsanana. Araka ny tati-baovao, nisy mpilalao iray tapaka ny taolan-tratrany ka nampisy voka-dratsy teo amin’ny fisainan’ireo mpilalao izany. Tsiahivina fa firenena efatra no nandray anjara teo amin’ny U18, vehivavy, dia i La Réunion, Maurice, Mayotte ary i Madagasikara. Tsy nisy afa-tsy telo ny U19, zazalahy, La Réunion, Mayotte ary ny Nosy Madagasikara. Tsy nanana solontena kosa i Madagasikara teo amin’ny U16, lehilahy.

Tompondaka

Partager sur: