Sombim-baovao

Afaka telo andro, hanomboka ny fifaninanana basikety “shoot out”, andiany faharoa. Lalao izay ho tanterahina any Antsirabe, manomboka ny 1 hatramin’ny 5 mey ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifanintsanana ity izay iarahan’ny Federasiona malagasin’ny basikety-Fmbb sy ny ligin’i Vakinankaratra manatanteraka.
Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, afakomaly, ahemotra ny 10-12 mey ho avy izao, eny Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olon-tokana. Tsiahivina fa tokony hatao ny 3 hatramin’ny 5 mey izany. Mahazo lelavola 1 tapitrisa Ariary izay voalohany.
Tonga eto an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo, ireo delegasiona malagasy nitondra avo ny voninahi-pirenena, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja “ping-pong”. Nahazo medaly volamena telo sy volafotsy iray ny isika nandritra iny fifaninanana natao tany Ouganda, ny 22- 25 avrily lasa teo, iny.

Partager sur: