Tenisy – ITF : misongadina Rasendra Miotisoa

Niampy indray ny anaram-boninahitra ho an-dRasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Votso-droa kosa i Voavy Mitia ka lasa laharana faharoa, tamin’ny lalaon’olon-tokana sy olon-droan’ny “ITF Junior J100”.

Nifarana ny sabotsy lasa teo ny fifananana “World Tennis Tour (WTT)Junior j60 “, taranja tenisy, lahy sy vavy, izay natao tany Abidjan Cote d’ivoire. Voahosotra ho tompondaka tamin’ny lalao ho an’olon-tokana, sokajy vehivavy, Rasendra Miotisoa, Malagasy mpilalao. Lavon’ity vehivavy malagasy ity, tamin’ny seta 2 no ho 1, (3, 6/6, 3/5, 3), i Nicole Lubesova, mpilalaon’i Tchèque.

Raha hiverenana ny dingana vitan’i Miotisoa tamin’ity fifaninanana ity, lavony teo amin’ny dingana faharoa, seta 2 no ho 0 (6,2/6,1), i Chema Kammoun, tonizianina. Resiny tamin’ny lalao ampahefa-dalana, seta 2 no ho 0, (6, 2/6, 2), i Luisa Fusil, slovaky. Nandritra ny manasa-dalana, nahintsan-dRasendra Miotisoa, seta 2 no ho 0 (7, 6/7, 6), i Bicene Benzaied, tonizianina.

Tsiahivina fa efa nahazo ny «WTTJunior J30”, tany an-toerana, i Miotisoa, ny 20 avrily lasa teo. Ankoatra izay, laharana faharoa tamin’ny lalaon’olon-droa miaraka, sokajy lehilahy, tamin’ity fifaninanana ity, “Junior J100”, ireo Malagasy mpilalao, Andriantefihasina Mirija sy Raoily Mahery. Resin-dry Daniel Adeleye, nigeria, sy Neil Zouaout, Maroc, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6, 1/6, 4) ry zareo nandritra ny famaranana.
Votso-droa i Voavy Mitia
Votsotra teo am-pelantanan’i Andraina Mitia Voavy, ny amboaran’ny lalaon’olon-tokana sy ny olon-droa miaraka, nandritra ny fifaninanana WTT Junior J100, ny asabotsy lasa teo. Fifaninanana natao tany Tlemcen Algerie. Resin’ilay alzerianina, Maria Badache, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6, 2/6, 1) izy, nandritra ny famaranana ny lalaon’olon-tokana.
Lavon-dry Emma Fantusis, mpilalaon’i Cyprus sy Minxu Zhou, avy atsy Chine, seta 2 no ho 0 (6, 1/6, 3), ry Maria Badache sy Voavy Mitia, teo amin’ny famaranana ny lalaon’olon-droa. Tsara ny mampahatsiahy fa laharana fahefatra, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U16, lasa teo izy, tany Algérie.

Fitia Randria

Partager sur: