TSELATRA

Maty natelin’ny reniranon’i Matsiatra
Mahasoabe Fianarantsoa ny zandary mpiana-draharaha iray ny sabotsy teo. Hita omaly atoandro ny razana. Telo lahy izy ireo no niara-nisasa teo amin’io renirano io. Tampoka teo anefa, natelin’ny rano tampoka ilay zandary mpiana-draharaha. Avotra kosa ireo namany roa lahy.
Hita faty tao an-tranony, ao Village touristique Mahajanga, afakomaly, ny renim-pianakaviana iray 69 taona. Tsindrona antsy telo no hita tamin’ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera. Mipetra-drery izy ka nanomboka ny alarobia no tsy nahitan’ny mpifanolobodirindrina aminy. Nihidy avy ny ivelany ny trano ka voatery nopitsohana rehefa tonga ny fianakaviany. Nihosin-dra tao amin’ny trano fidiovana sy fivoahana izy.

Partager sur: