Tsipy kanetibe: nofafan’ny Federasiona iraisam-pirenena ny sazin’i Madagasikara

Afaka misioka ny tsipy kanetibe, malagasy, fa tafavoaka ny ala. Nohafahan’ny federasiona iraisam-pirenena mantsy ny sazy nihatra tamin’i Ma­da­gasikara nandritra ny telo taona ka tsy nahafahana niatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena.

Nambaran’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) tamin’ny mpanao gazety, teny Ampitatafika, ny sabotsy lasa teo, fa afaka ny sazin’ny tsipy kanetibe. Ny fivoriambe ampitain-davitra, nataon’ny komity mpitantana eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIPJP), ny 5 avrily lasa teo, no nanapahana izany. Ny 25 avrily, nalefan’i Claude Azema, filohan’ny tsipy kanetibe maneran-tany, taty amin’ny mpitantana ny FSBM ny taratasy fampahafantarana izany.

Na eo aza izany, mbola nametraka fepetra maro sy fanaraha-maso ny FIPJP. Anisan’izany ny fitondrana tsara tantana sy ny fisian’ny fangaraharana, ny amin’ny kara-pilalaovana sy ny amin’ny lafiny teknika.
Raha tsiahivina, voasazy ny tsipy kanetibe, malagasy, nanomboka ny taona 2021, noho ny fitantanana tsy nanaraka ny rafitra ara-dalàna. Ankehitriny, miverina misokatra ho an’i Madagasikara indray ireo fihaonana iraisam-pirenena rehetra.
Hosantarina atsy Maroc ny fivoahana
Hanombohan’i Madagasikara ireo fifaninanana iraisam-pirenena, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy «sénior» lehilahy. Fihaonana tanterahina any Maroc, ny 6 ka hatramin’ny 9 jona ho avy izao. Efa eo am-panomanana ny paikady rehetra hiatrehana izany ny FSBM miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpanohana ary ny fanjakana. Nolazain’Andrianirina Adrien, fa ireo lalao hahazoana isa no hangalana ny mpilalao fahefatra amin’izany ka anisany ny fifaninanam-pirenena, ho an’olon-tokana hatao eto Analamanga, ny 10 ka hatramin’ny 12 mey, ho avy izao.
Ankoatra izay, mbola misy latsakemboka 2 taona (2022 – 2023), tsy voaefan’i Madagasikara. «Heverina fa ho vita izany ho an’ny sehatra kaontinantaly, mandritra ny fivoriamben’ny Kaonfederasiona Afrikanina hatao any Cotonou, ny 4 mey ho avy izao. Ny amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray dia anjaran’ny minisitera ny mandoa izany fa raha tsy ahitana vahaolana dia hiezaka hitady izay hahavita izany ny FSBM», hoy ny filohany.

Tompondaka

Partager sur: