VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tohodrano afaka manondraka velaran-tany 383 ha any amin’ny lemak’i Manambaro, faritra Anôsy. Zara raha 147 ha ihany no afaka nohajariana tany aloha. Efa rakotra vary daholo ny 70% ny lemaka, ankehitriny, ka miisa 430 ny fianakaviana misitraka azy. Ao anatin’ny tetikasa “Defis”, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) ity zava-bita ity.

Natao tatsy Maorisy ny atrikasa fifanakalozana traikefa amin’ny lafiny jono, eo amin’i Maorisy, Madagasikara, Kaomoro ary Japana, ny herinandro lasa teo. Notaterina ny valim-pikarohana nampanaovin’ny Fiaraha-miasa japoney-Jica. Nampahafantarin’i Madagasikara ny Paikadim-pirenena momba ny toekarena manga (SNTB), azo entina ho an’ny fampandrosoana.

Natao tany Manakara ny fampiofanana mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tontolo voajanahary maharitra ho an’ny ilana atsinanan’i Madagasikara. Nizarana fitaovana fikarakarana fambolen-kazo ihany koa ny kaominina voakasiky ny tetikasa.

Miisa 325 ny mpianatra nahavita fianarana ao amin’ny Fakiolten’ny EGS (Toekarena, fitantanana ary fiarahamonina) eny Ankatso. Nahazo ny mari-pahaizana Licence (Bac+3) amin’ny sampana toekarena izy ireo, avy amin’ny « Affaires publiques », ny « Economie du partenariat public-privé », ny « Economie mathématiques » ary ny « Economie générale ».

Partager sur: