TSELATRA

Norobain’ny jiolahy ny moto scooter iray marika Kymco G5 teny Ambohitrarahaba, omaly. Naratra mafy vokatry ny vono nataon’ireo mpandroba ilay mpitondra moto. Notsaboina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy. Hifampitadiavana ireo jiolahy.

Vola mitetina 4 tapitrisa Ar voaroba tao amin’ny tokantrano miisa telo tao Ambohimanarivo, kaominina Imerintsiatosika, ny sabotsy 27 avrily teo. Nirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy am-polony. Norahonany ny tompon-trano ka tsy afa-nanohitra. Lasan’izy ireo koa ny telefaonina sy karazana entana sarobidy.

Telo lahy nikasa hitondra rongony 13 gony nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Nosavain’ny polisy tampoka ny fiara. Sarona ireo zava-mahadomelina izay nentina avy any Toliara. Nogiazana avokoa ny entana ary natao famotorana ireo telo lahy.

Lehilahy 30 taona hita faty nisy nanary tao amin’ny fokontany Ankaiasy, Toliara II, ny faran’ny herinandro teo. Efa lanin’ny biby ny ilan-tsandriny havia sy ny tanany.

Partager sur: