Mois : avril 2024

Naiditra am-ponja eny Antanimora : saron’ny polisin’ny BC ireo jiolahy mpangalatra fiara

Naiditra am-ponja eny An­tanimora afakomaly ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra miaro vono olona. Voa­sambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sake­lika fahefatra (BC4) teny An­dravoahangy sy Ankadifotsy, ny 11 avrily 2024 teo ry zalahy ireto. Raha ny tatitra nampi­tain’ny polisy, ny 7 avrily lasa teo, jiolahy efatra no […]

Fakana an-keriny: efa-dahy voasambotra ny zandary

Mpiray tsikombakomba efa-dahy tamin’ny mpaka an-keriny voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambolosy, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’io tanàna io, ny 4 febroary teo. Nanao ny fanadihadiana lalina sy nikaroka ireo nahavanon-doza ny zandary taorian’io. Nahazo loharanom-baovao mari-pototra ireto farany. Voasaringotra ny tompon’ny tanàna nieran’ny dahalo. […]

Andoharanofotsy: lehilahy nikasa hangala-jaza voasambotra

Nilaza ho voakarana 300 000 Ar ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza. Nifanjehan’ny fokonolona tao Bongatsara izy ka tratra, afakomaly. Nosamborin’ny fokonolona ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza tao Ambodivoina, fokontany An­tsahabe, kaominina Bonga­tsara, afakomaly. Niara-nilalao tamin’ny namany ilay zazavavy. Nanatona azy io lehilahy io ka nanambitamby azy. Nanaiky hanara-dia io olon-tsy fantatra […]