Mois : avril 2024

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 236 ny tantsaha nahazo kojakojam-pamo­karana, any amin’ny kaominina Vohitrafeno sy Vina­ni­telo, distrika Vohibato Fianarantsoa. Milanja 2 124 kg ny zezika azon’izy ireo, zezika simika 3 540 kilao ary zezika organika 17 700 kg. Tohana avy amin’ny tetikasa Purpa, ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), vatsian’ ny Bad sy ny FDA […]

Miaka-bokatra : nidina 2 800 Ar ny kilaom-bary eto an-toerana

Miaina kely ny mpanjifa ! Manomboka miakatra tsikelikely ny voka-bary eto an-toerana amin’izao tapaky ny avrily izao. Mifanojo amin’ny fiafa­ran’ny fotoam-pahavaratra, ka miha maina ny lalana any ambanivohitra, toerana tena ahitana ny fambolem-bary. Vokany, mihena tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena, na tsy tena mbola manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra aza. […]

Sodokan’ny vola

  Trangam-piarahamonina iray, mahazo vahana ny famonoan-tena. Ankoatra ny sarintsarina famonoan-tena mety hanafenana vono olona iniana natao. Tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga. Mahatonga saina ny mahita zaza vao folo taona efa mahasahy manapitra ny ainy. Tena mampametra-panontaniana tanteraka. Ankoatra ny famonoan-tena, mihamaro ny zatovo mitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny. Andaniny, […]

Banky Iraisam-pirenena : fitsidihina ny asa amin’ny lalana RN7 sy RN10

Manohana ny sehatry ny lalana eto amintsika ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana tetezana sy ny fanarenana ny lalana amin’ny RN7 sy RN10. Nijery ifotony any amin’ ny lalam-pirenena RN7 sy ny RN10, ny herinandro lasa teo, ny delega­sion’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), Vincent Vesin, Soh Alphonse ary Rtoa […]

TSELATRA

Namoy ny ainy voatifitry ny mpitandro filami­nana ilay lehilahy namono zazalahy 8 taona, tao An­jiajia, distrikan’Ambato-Boeny, ny 15 avrily teo. Nifam­pitadiavan’ ny fianakaviany io zazalahy io rehefa niandry ondry ka tsy hita, ny tolakandron’ny 11 avrily teo. Nentin’ny olona tsy fantatra izy araka ny nambaran’ireo ankizy namany tamin’ ny havany […]