Mois : avril 2024

TSELATRA

Lehilahy iray maty nokapain’ny rafilahiny famaky teo amin’ny lohany tao Tsiareky, Ambovombe Androy, ny alin’ny 14 avrily teo, tamin’ny 8 ora alina. Samy sakaizan’ ilay vehivavy izy roa lahy ka niady. Nampiasa famaky ny iray ka niteraka io fatiolona io. Lezionera frantsay iray 39 taona hita faty tao Ambondrona, kaominina […]

Anjozorobe: telo mianaka nalain’ny dahalo an-keriny

Dahalo maherin’ny 20 lahy nitam-piadiana naka takalonaina tao Anjozorobe, afakomaly alina. Olona telo nalain’izy ireo ka ankizivavy ny iray. Tsy mety tapitra, ankizivavy sy renim-pianakaviana iray 32 taona niampy lehilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny tao Fieferana, akaikin’ Antanandava, kaominina Ma­rovazaha, distrika Anjozorobe, afakomaly alina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, maherin’ny […]

Voatondro ho mpangalatra : lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray nangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka tao Analamanga, fokontany Ankiririky avaratra, kaominina Antsohihy, afakomaly alina. Nokarohin’ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny trano voalaza ho fonenany io lehilahy io. Niafina tao ambany fandriana izy ka nasaina nivoaka hifampiresahana milamina. Teo am-panatontosana ny resaka, naka antsy lavalela tampoka izy. Nokasaina hofiraina tamin’ny antsy ireo tovolahy […]

Vehivavy voaroba: mirongatra ny fanendahana any anaty taxi-be

Mirongatra indray, tato ho ato, ny fanendahana anaty taxi-be ataon’ny jiolahy. Renim-pianakaviana iray very vola 6 hetsy Ar tao anaty poketra teny Ampasampito, omaly atoandro. Mody mitankisina sy miresaka amin’ny finday ireo olon-dratsy… Horakoraka, ranomaso…io sisa no azon’ny renim-pianakaviana iray natao vokatry ny asan-jiolahy tao anatina taxi-be iray teny Ampasampito, […]