Tao anatin’ny taona maro nitondran’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Mahatsapa ny rehetra fa nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana eo amin’ny rehetra. Maro ny tanora, malagasy sy vahiny, mandrato fahalalana eny anivon’ny oniversite eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny oniversiten’i Barikadimy sy ny any Ambatondrazaka, Vatomandry ary Fenoarivo Atsinanana. Mitondra […]
Mois : avril 2024
FANTINA sy FINTINA
Hidina ifotony any Toamasina, anio, ny filoha Rajoelina Andry. Hanombohana izany ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana sy fitsidihana ireo fotodrafitsara marobe izany. Tafiditra amin’ny famahana olana ny eny ifotony sy ny politikan’ny fanakaikezan’ny fahefam-panjakana eny anivon’ny vahoaka izao fahatongavan’ny filoha any an-toerana izao. Minisitra voalohany, nametra-pialana Andriamananoro Augustin. […]
Antenimierampirenena: tsy afa-manapa-kevitra irery ny filoha mpisolo toerana
“Efa nisy ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 avrily lasa teo, nanendry ny zokiny indrindra amin’ireo filoha lefitra enina”, hoy ny fanazavan’ny mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fitantanana ny Antenimierampirenena taorian’ny fanalan’ny HCC ny filoha teo aloha, Razanamahasoa Christine. Ny […]
Entan-jaraina mora zaka
Ho tanterahina any Toamasina, anio, ny filankevitry ny minisitra. Fivoriana isan-kerinandro tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Mampahatsiahy ny filankevitra mitety faritra tamin’ny fitondran-dRatsiraka Didier sy ny praiminisitra Andrianarivo Tantely. Fanamafisana ilay faritany mizaka tena napetrany mba hanakaikezan’ny fahefana ny vahoaka. Vakilay tamin’ny fikasana hametraka ireo fanjakana federaly, hampahaleotena ny faritany, indrindra […]
Lisitra ofisialy avy amin’ny Ceni : afaka hifaninana ny ankamaroan’ireo kandidà henjana
Navoakan’ny Ceni omaly alina, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana depiote hatao ny 29 mey izao. Hanomboka tsy ho ela ny fifaninanana hifanandrinan’ireo kandidà matanjaka… Afaka hifaninana ny ankamaroan’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy teny anivon’ny Ovec. Anisan’izany, Razanamahasoa Christine ao Ambatofinandrahana, ohatra. Hifanandrina any Ambatondrazaka kosa ny Firaisankina Tim, Razara Pierre […]




