Mois : avril 2024

Moramanga : tafapetraka ny oniversite vaovao

Tombony ho an’ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana ambony ao amin’ny distrikan’i Moramanga ny nametrahana ny oniversite vaovao amin’ny kaominina Ambanivo­hitr’Ambohibary. Napetraka ny faran’ny herinandro teo izany. Mifandray amin’ny oniversiten’i Toamasina ity vao na­tsangana ao Moramanga ity. Misy sampam-pampianarana momba ny tontolo iainana, dokotera ary anthropolojia ao Moramanga. Nampahafan­tarina nandritra ny […]

Morondava: hofanina ireo voafonja

Nitsidika ny fonjaben’i Morondava ny minisitry ny Fitsa­rana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny faran’ny herinandro teo. Vehivavy ny 33, lehilahy ny 612 ary ankizy tsy ampy taona ny 6 amin’ireo mifonja ao an-toerana. Fano­mezan-danja ny maha olona, izay andry voalohan’ny Politi­kam-panjakana ankehitriny no atao. Ao anatin’izany ny fandraharahana ny fonja, dia […]

Faritra Diana sy Sava: tobim-pahasalamana 25, sakaizan’ny Wash

Natao tany Nosy Be ny fankasitrahana ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana. Nandalo dingana maro izy ireo nahazoana izany fahamendrehana izany. Nisongadina ireo tobim-pahasalamana 25 (9 ao amin’ny Faritra Sava ary 16 ao amin’ny faritra Diana) manaraka ny fepetra ara-pahadiovana. Nizarana mari-pamantarana izy ireo ny faran’ny herinandro teo satria voasokajy […]

Atletisma – «Afrique 2024»: miankina amin’ny minisitera ny isan’ny atleta ho any Cameroun

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny kianja Alarobia ny fifaninanana nitiliana ireo atleta ma­lagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “sénior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja atletisma. Nitsapana azy ireo ny 100 m sy ny 400 m, lahy sy vavy, ary ny vikin-dava sokajy vehivavy. Tsy nisy ny […]

Basikety- All Step : nifandona ny Lycée Andohalo sy ny Sainte Chantale

Niditra tamin’ny andro faha-4, ny faran’ny herinandro teo, basikety natokana ho an’ ny Lycée, “All Step”. Fifa­ninanana karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety, hiaraha-miasa amin’ ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pire­nena. Lalao miisa 6 no notontosaina ny sabotsy 13 avrily teo ary anisan’ny tena niady ny fihaonana teo amin’ny Lycée Andohalo sy ny Lycée […]