Mois : avril 2024

TARATRY ny KANTO

Hotsaroana rahampitso ny faha-202 taona nahafatesan’ny Printsy Ratsintantanina. Hisy lanonana hiendrika fampahafantarana ny «tetikasan-kolontsaina marolafy Ratsintantanina», etsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, anio. Hisy velakevitra sy fampirantiana manomboka amin’ny 10 ora maraina, ka mpikaroka sy mpandalina maro, Malagasy sy vahiny, no hifarimbona amin’izany. Nidina tany Belo Tsiribihina, misy ny fianakavian’ny Ampanjaka […]

Bokim-panabeazana: miavaka ny «A quoi ça sert les filles ?»

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny trano fivarotam-boky “Milles feuil­les» Behoririka, ny fampahafantarana ny boky «A quoi ça sert les filles ?» sy ny «La Virgule rebelle». Bokim-panabeazana izy ireto, anisan’ny nataon’ny mpanoratra hifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny zava-misy iainan’ ny ankizy sy ny mpianatra […]

“Conversations littéraires” : nahafa-po ny mpankafy ny hetsika

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika «Conversations littéraires”, niarahana tamin’i Mose Njo sy Dominique Ranaivoson. Ny mahakasika ny boky «Fa ho aiza ary izy ireo?» sy «Lisy mianjoria», izay nosoratan’ireto mpandray anjara ireto no noresahina tamin’izany. Mpianatra sy mpisehatra eo anivon’ny […]

Vidim-piainana : mitohy ny sondro-bidy andavanandro

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana manerana ny Nosy, nanomboka ny taona 2014 ha­tramin’izao 2024 izao, raha raisina ny 10 taona farany. Mitohy hatrany ny sondro-bidy amin’ny fiainana andavanandro. Raha tsorina ny atao hoe fiakaran’ny vidim-piainana (inflation) eto, fitomboan’ny vidin-javatra ilaina andavanandro eo amin’ny fanjifana azy (Indice des prix à la consommation). Azo adika fitomboan’ny vola miasa koa […]