Natomboka tamin’ity herinandro ity, tao Farafangana, ny tetikasa “McGovern-Dole Food for Education Project” Mavitrika Mianatra (MaMi), izay iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fikambanana Catholic Relief Services (CRS). Tetikasa vatsian’ny Departemantan’ny fambolena avy any Etazonia na United States Departement Agriculture (USDA) vola ao anatin’ny dimy taona. Nisolotena ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena tany an-toerana ny […]
Mois : avril 2024
Herinandron’ny infirmiera : hitondrana tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny olona 1 500
Nisy vokany ny fanentanana nataon’ny Holafitry ny infirmiera eto Madagasikara, nitombo ny isan’ireo nisoratra anarana anatin’ny rejisitra. Hanatanterahana ny hetsika maimaimpoana ho an’ireo sahirana ny infirmiera mandritra ny Herinandron’ny infirmiera. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 12 mey ho avy izao ny “Herinandron’ny infirmiera” eto amintsika. “Nisafidy ny faritra Atsinanana ny Holafitra […]
TARATRY ny KANTO
Erick Manana etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Mandalo kely aty an-tanindrazana indray ity mpanakanto ity. Manome fotoana ireo mpankafy azy izy, rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ireo namany ao amin’ny tarika Feo Gasy sy ny Lôlô sy ny tariny. Eo koa ireo mpitendry namany […]
Kiforomporon-teny : mila miloa-bava ny mpikaroka
Anisan’ny porofo iray hoenti-milaza fa miaina sy velona ny tenim-pirenena ny fisian’ny teny vao ao anatiny. Na izany aza, manomboka maro loatra ny kiforomporon-teny heno etsy sy eroa. Tsara ny mandray andraikitra, mamorona, fa mampieritreritra kosa ny fahenoana ireo voambolana vaovao sasany. Mazàna, tonga any amin’ny fanontaniana : « iza no namorona izany ? », ny fanadihadihana. Mila fitandremana be […]
Seho any Ambatondrazaka: nosoloina an’i Naël ry Wada sy Youngs
Miandry amin’ny fotoana manaraka indray aloha ny mponin’Ambatondrazaka vao hahita indray an-dry Wada sy Youngs. Tsy manafoana ny fampisehoana kosa anefa izany, satria notanana hatrany ny fotoana amin’ny 1 mey izao, ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka. Ry zalahy no tsy afaka fa nanaiky hanolo azy kosa i Naël. Hanampy azy […]




