Mois : avril 2024

FANTINA sy FINTINA

Manamafy ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Désiré sy ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, ny Hery politika mitambatra sy ny ACS. “Lasa fa­nangonan-karena sy fitadiavam-bola ny politika. Tsy misy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka… Tsy misy fahamarinana ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo, tetsy Mahamasina, omaly. Nanao fanambarana ny birao […]

Ramampy Zenaïde: “Mila manam-piniavana hirotsa-kofidina ny vehivavy”

“Aza andrasana homena na atolotra anareo ny fahefana fa raiso”, hoy ny filoham-boninahitry ny Filankevitra na­sio­nalin’ny vehivavy eto Ma­daga­sikara (CNFM) sy ny Vondron’ ny miralenta ho amin’ny fampondrosoana (VMLF), Ramam­py Marie Zenaïde, izay efa so­lombavambahoaka sy ben’ny Ta­nàna tany Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, teo aloha. Hisy fifidianana ato ho ato. […]

Mila mahay maka lesona

  Mandehandeha mahita raha! Sehatra iray mahaliana ny olona aty ambanivohitra ny resaka politika. Tsy mifidy toerana lalovana fa izay hijanonana dia mitovy ny tadindokanga: Inona no malaza any Iarivo any? Inona ny vaovao? Ahoana ity vidim-piainana ity? Mankaiza ny zotran’ny fifidianana depiote? Ambetitenin’izay hivantanana na hijanonana ireo. Hita ny […]

Justice et Paix: “Atsaharo ny fampanantenana poakaty”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny vaomieran’ny eveka, Justice et Paix, taorian’ny fivorian’izy ireo tetsy By-Pass, afakomaly. Hentitra izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena. Nambaran’izy ireo fa aoka hajanona ny adilahy sy ny fisaratsarahana ary ny fankalahana. Aoka tsy hifanilikilika na hifanavakavaka, araka ny fanambarana. “Tsy maintsy mandray andraikitra isika. Reseo ny fisalasalana ary […]