Efa mahazo vahana eny anivon’ ny sekoly ny karazana famoretana na herisetra amin’ny endriny maro. Mifototra amin’ny karazana fampitahorana sy fanjakazakana amin’ny endriny maro samihafa io herisetra io. Mitarika ratram-po lalina ho an’ny lasibatra izany. 700 000 ireo mpianatra iharan’ny herisetra an-tsekoly amin’izao fotoana, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef. Hita […]
Mois : avril 2024
FANTINA sy FINTINA
Kandidà tokana hofidina depiote ao Vohibato ny solombavambahoaka amperinasa, Rivotiana Jean Bosco. Efa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ny ila tongony raha tsy misy ny fiovana. Nambarany fa hanao ny fampielezan-kevitra hatrany ny tenany. Tsiahivina fa efa minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana izy talohan’ny janoary lasa teo. Betsaka loatra […]
FITORIAN’NY KANDIDA : Fe-potoana farany ny 15 avrily
Raha ny tokony ho izy, araka ny tetiandro napetraky ny Ceni, efa nanao peta-drindrina ny lisitry ny kandidà nekena ny firotsahan-kofidiny eo anivon’ny distrika tsirairay manerana an’i Madagasikara ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana (Ovec) tamin’ny 9 avrily lasa teo. Amin’izany, nomena ny taratasy fanamarinana ny nandraisana ny […]
Traboina mandavantaona
Ao anaty fahasahiranana ny mponin’ny tapany avaratry ny Nosy amin’izao, vokatry ny rivodoza farany teo: miakatra ny vidim-piainana noho ny fahatapahan-dalana, naman’ny afoy ny fambolena difotry ny rano… Fotoam-pifidianana koa izao, ka tsy vitsy ny karazana hetsika etsy sy eroa: fidinana ifoton’ny mpanao politika sasany, fizarana fanampiana… Mifangaro voraka […]
Fiarahamonim-pirenena : “Aoka izay ny jadona sy ny valifaty politika”
Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena miisa 11, omaly tetsy Ambatonakanga. Nisongadina tamin’izany ny tranga politika niseho tato ho ato ka nanaovan’izy ireo antso avo. «Toherinay ny didy jadona sy ny antsojay politika”, hoy ny lohahevitra nentin’ireto fiarahamonim-pirenena ireo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny fanonganana olom-boafidy, filohan’ny Antenimiera roa. “Mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao […]




