Mois : avril 2024

SOMBIM-BAOVAO

Lany ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja karaté, Rakotomalala Pierrot. Fifidianana notontosaina omaly, ka seksiona 6 tamin’ny 8 no tonga nifidy. Tsy afaka nandray anjara ireo seksiona roa, Avaradrano sy Marovatana. Lany 100% ny filoha vaovao izay kandidà tokana. Mpanazatra 15 mianadahy, telo vehivavy, no nahavita ny fiofanana “Young Coach”, taranja basikety, […]

Trail d’Ibity : voalohany i Rivosoa sy i Cornie Ludivine

Tontosa ny alahady 7 avrily lasa teo, tany Vaki­nankaratra, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail d’Ibity”. Fihaonana nokarakarain’ny Antenna Technologies Antsi­rabe. Nahatratra 3 000 ireo nandray anjara, nifaninana tamin’ny halavirana 2 km ho an’ireo ankizy, an’olon-dehibe, ny 12 km ho an’ireo salama vatana sy matanjaka ary ny 30 km izay zava-baovao […]

Kick-Boxing : hatao any Fianarantsoa ny ady goavana

Araka ny efa nampahafantarina tamin’ny fiandohan’ny taom-pikatrohana, hisy ny ady goavana “Grand combat de défi”, taranja kick-boxing. Fifaninanana natokana ho an’ny Malagasy mpikatroka manerana ny Nosy, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny kick-Boxing. Ny K-1 Rules no hifaninanana mandritra izany. Amin’ny maha ady goavana azy, handray anjara daholo ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa […]

Kitra – Mondial 2026: tsy nahazo ny fankatoavan’ny Caf ny kianja Barea

Nesorin’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) tsy ho anisan’ireo kianja mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja Barea Mahamasina. Tsy hatao eto Madagasikara ny fihaonan’ny Barea amin’i Comores sy i Mali. Tsy afaka handray ireo lalao roa hihaonan’i Ma­da­gasikara amin’i Co­mores sy i Mali, amin’ny volana jona ho avy izao ny kianja […]