Mois : avril 2024

TSELATRA

Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay jiolahy tomponantoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny tao Maintirano, afakomaly. Nanao ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy tao Ampasimandroro, ny 9 avrily teo, ny polisy. Avotra ireo mpianaka nalain’ny jiolahy an-keriny saingy naolan’ireo tsy mataho-tody ny iray. Atolotra ny fampanoavana io jiolahy iray tratra […]

Toamasina II : ripaky ny mpamaky trano ny akoho amam-borona

Tsy mifidy intsony! Miron­gatra ny halatra arahina vaky trano taorian’ny ranobe mangeniheny nentin’ilay rivodoza Gamane tao Toamasina. Lasi­batry ny asan-jiolahy ny distrikan’i Toamasina II, amin’izao fotoana izao. Lasan’ireo mpan­­­galatra hatramin’ny akoho amam-borona fa tsy mifidy hangalarina intsony ireo jio­lahy. Sahirana tanteraka ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana noho ny takaitra navelan’ny […]

Maroantsetra : mpidoroka 24 naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja avokoa, miandry ny fitsarana azy, ireo 24 mianadahy voasambotry ny polisim-pirenena tao Maroan­tsetra, ny talata 9 avrily teo. Manoloana ny fironan’ny tanora amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ izany ao an-toerana, nanao fisafoana teny ifotony ny polisy. Tratra tamin’izany ny lehilahy iray malaza ratsy mivarotra rongony. Noraisim-potsiny niaraka […]

Telo andro nisesy : zaza telo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain-jaza tao anatin’ny telo andro. Zaza iray enin-taona maty tsy tra-drano, omaly. Zazavavy kely enin-taona maty voafaokan’ny taksiborosy tao Ambalafary, RN32, 10 km avaratra andrefan’i Mandritsara, omaly ma­raina. “Nandeha tamin’ny toerana misy tsena ka niampita tampoka ilay zaza”, hoy ny loharanom-boavao any an-toerana. Tamin’io fotoana […]