Nomena fanalavam-potoana ireo kandidà hamenoana ny antontan-taratasiny raha misy ny olana na tsy fahafenoan’izany. “Afaka mampiakatra fitarainana eny amin’ny Ceni izy ireo, 24 ora aorian’ny fandraisana ny tatitra sy ny dosie avy eny anivon’ny Ovec. Ampiakarina any amin’ny HCC izany raha tsy mahafa-po ny kandidà ny valin-teninay”, hoy ny Ceni, omaly.
Nisaotra ny mpiara-miasa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny asa vita ho an’ny 100 andro. “Eo ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa natolotra ho an’ny manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana”, hoy izy.
Efa alina vao tonga teto Antananarivo, avy any Toamasina, ny kandidà Randriamasinoro Ny Riana. Nambarany fa efa nilamina ihany ny dosie 211bis natao tany fa niandry baiko. “Isaorana avokoa ny teknisianina sy ny firaisankinantsika”, hoy izy. Tafapetraka omaly ny dosie filatsahany etsy amin’ny boriborintany fahefatra.
Nosoloina tamin’ny ora farany ny kandidàn’ny Firaisankina any Manjakandriana. Nametraka ny dosie-ny, omaly, Randriamanga William Henri, nisolo ny toeran-dRakotoarisoa Alban na i Ganstabab. “Izay ny fandaminana ka isaorana Babà”, hoy izy ireo.




