Hamaha ny olan’ny angovo eto Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Natao omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny komitim-pirenena fandrindrana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (CNPPP) izay nahitana minisitra fito […]
Mois : avril 2024
TSELATRA
Lehilahy iray naratra mafy tsy nahatsiaro tena ka natahorana mafy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teo Ankorondrano, omaly maraina. Voadonan’ny moto lehibe iray nandeha mafy izy rehefa niampita tampoka. Nidina nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana. Jiolahy telo lavon’ny zandarimaria tao Toliara, nandritra ny fisamborana azy ireo. Niezaka nandositra izy […]
Paka tao Toamasina : olona valo voatsatoka antsy
Tsy nahasakana ny olona tsy hanao fety ny fisian’ny rotsakorana nandritra ny alatsinain’ny Paka, tao Toamasina. Tonga maro teny amoron-dranomasina ny olona. Na teo aza anefa izay fahabetsahan’ny olona izay, tsy nisy kosa ny loza an-dranomasina fa nilamina amin’ny ankapobeny ny fiatrehana ny fety. Amin’ny maha fety ny andro, niakatra […]
Vohitsarahasina: omby tsy ara-dalàna tratra
Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina ny olona nitondra omby tsy nisy taratasy ny alin’ny 28 marsa 2024, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Fiaraha-miasa teo amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina no nahazoana izao vokatra izao. Nilaza ireo andrimasom-pokonolona fa misy olona mitondra omby mihazakazaka mihani-bohitra ao […]
Nandroba 6 tapitrisa Ar: jiolahy enina maty voatifitra
Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, jiolahy enin-dahy maty nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny kaominina Morafeno, afakomaly. Nibaboka sy nitolo-batana ny vehivavy namany. Namoy ny ainy nandritra ny fisamborana azy ny jiolahy enin-dahy nandroba vola mitetina 6 000 000 Ar tao amin’ny fokontany Mamoeramanjaka, kaominina Morafeno, distrika Arivonimamo, ny harivan’ny alarobia […]




