Mois : avril 2024

Baolina kitra Mahatafita : manao andrana any Maroc Ratiandrainy Nicolas

Niainga teto an-tanindrazana, ny alahady 31 marsa lasa teo, hihazo an’i Maroc, Ratiandrainy Nicolas, Mala­gasy mpilalao baolina kitra. Manao andrana ao amin’ny klioba RS Berkane Maroc ny tenany, mandritra ny telo volana. Raha afapo aminy ity ekipa maraokanina ity, hisitraka ny fifanarahana matihanina voalohany ho azy izy. Tsiahivina fa tamin’ilay […]

Federasion’ny taekwondo : hatao ny 16 avrily ny fifidianana filoha

Ho fantatra amin’ny 16 avrily ho avy izao, eny Ivandry, ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo. Kandidà iray no fantatra fa hirotsaka ho kandidà amin’izany fifidianana izany. Hotanterahina eny amin’ ny biraon’ny Komity olympika malagasy (Com) Ivandry, ny talata 16 avrily ho avy izao, ny fifidianana izay ho filohan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nangataka ny hanoloana ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre, ny filoha Rajoelina, araka ny vaovao navoakan’ny gazety Africa Intelligence. Voalaza ho anton’izany ny fanehoan-kevitr’io diplaomaty io mitsipaka ny famosirana ny mpanolana. Voafidy ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny HCDDED Rakotonandrasana Éric Stoff. Nahazo ny isam-bato 30 amin’ny 59 izy tamin’ny […]

Rasoamaromaka Hery : nampitony ireo mpikambana TGV

Notsiahivin’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoama­romaka Hery, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, omaly, fa nisokatra amin’ny antoko politika sy fikambanana samihafa ny eo anivon’ny TGV/Mapar. “Tsy voatery ho avy amintsika avokoa ireo kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka eo anivon’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Efa nisy ny fandaminana eo amin’ny samy mpikatroka […]