Mois : avril 2024

“Women Rock in Digital” : mamiratra ireo vehivavy misehatra amin’ny niomerika

Mihamaro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika (Information technology – IT)). Manampy tosika azy ireo sy mampahafantatra ny tombony azo avy amin’ny fikirakirana izany ny hetsika « Women Rock in Digital ». Fahombiazana. Mahave­lom­bolo sady mivoatra isan-taona ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Tafiditra amin’ny andiany fahadimy ny «Woman Rock in Digital» […]

INDRAY MIJERY

Analamanga no handray ny fankalazana nasionalin’ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, amin’ity taona ity. Hotanterahina ao amin’ny boriborintany fahatelo, ao Antanimenabe Ankorondrano izany. Hisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana isan-karazany mandritra ny fanamarihana. Lohahevitra “Ny fahasalamako, zoko” no hitondrana ny hetsika. Nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny masoivoho vaovaon’i Sina, Ji […]

Autisme : “Zava-dehibe ny fampahafantarana azy”

Efa nanomboka ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho fampahafantarana ny autisme ny eto Analamanga. Nisy hetsika fanentanana teny Ambohijatovo sy Anosy, omaly, ho an’ny daholobe ho fiaraha-mientana ahafahana ma­metraka fiarahamonina manaja ny zon’ireo olona autiste. “Zaza, tanora ary olon-dehibe autiste dia samy mendrika hajaina sy tohanana daholo», hoy ny fanam­baran’ny fikambanan’ny […]

Toetry ny andro : tsy hisy ny fiforonana andro ratsy

Tsy hisy fiforonana andro ratsy hahakasika an’i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hamaritra ny toetry ny andro ny tsiokan’ny varatraza malefaka. Tsy ho marin-toerana indraindray amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny fiandohan’ny herinandro. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny […]

Raharaham-panjakana : mifanolo-tanana ny ADHEA sy ny MDAT

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny Anosy, omaly, ny biraon’ny fikambanan’ireo manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaha, ADHEA. Maneho fahavononana hitondra ny anjara birikiny amin’ny lafiny fi­tantanan-draharaham-panjakana sy nampahafantatra ny fijoroan’ny ADHEA ny filohany, Ramanantsoa Andriama­hafaly Rado, omaly, tetsy Anosy. Tanjona ny hitondra fahaiza-manao amin’ny […]