Mois : avril 2024

TARATRY ny KANTO

Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 13 avrily 2024, eny amin’ny Aft Andavamam­ba, ny “Vao mangiran-dratsy”. Fampirantiana karakarain’ny Plum’art, hanandratana sy hanomezana sehatra ireo mpiangaly sary vao misandratra, izy ity. Ankoatra izay, anisan’ny hanamarihina ny faha-10 taonan’ny fikambanana ihany koa ny hetsika. Efa ao anaty fanomanana sy […]

« Spectacle stand-up »: ho avy eto Madagasikara i Rodrigue

Ho avy eto Madagasikara i Rodrigue, teratany frantsay mpanao hatsikana sady kalaza amin’ny fampihomehezana. Seho tsy mbola mahazatra ny Malagasy loatra, fa efa iainan’ny mpijery any ivelany no hoentiny amin’izao diany izao. « Spectacle stand-up ». Izy irery no hiakatra sehatra hanatontosa ny fampihomehezana. Tsy misy zavatra na fitaovana maro kanefa vitan’i Rodrigue […]

Semaine Flamenco : hisehatra i Raul Rodriguez sy Christian

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antanana­rivo (Aft) Andavamamba, rahampitso, ny fampisehoana « Jam Session », iarahana amin’i Raul Rodriguez sy i Christian de Moret ary ny AF Jazz. Hetsika tafiditra anatin’ny «Semaine Flamenco de Madagascar », andiany fahenina. Seho avo lenta sy matihanina no entin’ny mpikarakara, miaraka amin’ireto vahiny mpanakanto manana ny maha […]

Unesco – Harembakoka sy fahaiza-mahandro: natao tany Vatomandry ny « Lakozia mitety sekoly »

Babon’ny fahaizan’ireo ankizy nikarakara sy nahandro ny soanambo ny Cheffe Henintsoa sy ny mpikarakara… Nandritra ny hetsika “Lakozia mitety sekoly” tany Vatomandry no nahitana izany fanomezan-kasina ny harembakoka sy ny fahaiza-mahandro izany! Tanjon’ny “Lakozia mitety sekoly” (LMS) ny fanabeazana ny ankizy mom­ba ny harembakoka fonosin’ny fahaizana nahandro malagasy. Manana endrika fifaninanana eny […]

Fahatsentsenan’ny tatatra ao Toamasina: harodana ireo trano sy fotodrafitrasa tsy mahafeno fepetra

Tontosa ny zoma 28 marsa teo, tetsy amin’ ny efitrano fivorian’ny Lapan’ny prefektiora Mangarano, ny fivoariambe na loabary an-dasy notarihin’ny governoram-paritra Rafidison Richard Théodore. Natrehin’ ny hery velona rehetra eo amin’ny tanàna. Nivoitra tamin’izany ny anton’ny fahatsen­tsenan’ny tatatra. Nivoitra tamin’izany ny antony mahatonga ny fiangonan-drano sy fa­hatsentsenan’ny lakandrano sy tatatra any Toamasina sy […]