Mois : avril 2024

Hafatry ny filohan’ny FJKM : “Tsy tompon’ny teny farany ny ratsy”

Nampita ny hafatra Paka ny eo anivon’ny FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny tamin’izany ny tantaran’i Jesoa, namela ny fitiavana vonon-kiady tsy hamela antsika ho faty fa naleony izy no maty, araka ny nambarany. “Fitiavana nandresy ny fahafatesana izany. Velona ny fanantenantsika… Tsy ho tompon’ny teny farany […]

Zanak’i Fianarantsoa: “Tokony hahay haka lesona isika”

Nanao tohivakana ny fanambarana. Nampahery ny filohan’ny Antenimi­erampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, araka ny fanambaran’izy ireo, ny herinandro teo. “Tokony hahay haka lesona isika… Jereo ny tranga niseho tany Senegal… Afa-baraka eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena isika… “, hoy ny mpitondrateny, i Jean Baptiste. No­hitsin’izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 2,5 taonina ny lavanila naondran’ny tantsaha avy ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana nankany Alemaina, ny herinandro lasa teo. Fanondranana voalohany nataon’izy ireo, ao anatin’ity lalam-pihariana ity, izany. Nalefa fiaramanidina niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny vokatra. Mitentina 3 087,4 miliara Ar ny totalin’ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara nandritra ny […]

Harena an-kibon’ny tany : misokatra ny « Guichet unique d’exportation »

Nisokatra nanomboka ny herinandro teo, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny «Guichet unique d’exportation». Dingana goavana hanamorana ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, metaly sarobidy ary vatosoa avy eto Madagasi­kara izany. Mivondrona amina toerana iray avokoa, araka izany, ireo sampandraharaham-panjakana […]

Orantsimba : misokatra ny fanjonoana

Niverina nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny fotoam-panjonoana sy fitaterana ary fivarotana orantsimba (langouste) ao amin’ny faritra Anôsy, raha niato nandritra ny telo volana, nanomboka ny 1 janoary. Mahatratra hatrany amin’ny 449,4 kg ny vokatra tonga nandritra ny fanangonana ny antontanisa voaray eny anivon’ireo mpanangom-bokatra. Ankoatra izay, nilaza ny […]