Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny alahady vao maraina teo, ny jiolahy iray nitondra sabatra. Naharay fitarainana momba ny fisiana halatra miharo herisetra ataona andian-jiolahy eny amin’ny manodidina an’Andranomanalina ny polisy. Nametraka paikady manokana hiadina amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana mampimenomenona ny olona ireo ny […]
Mois : avril 2024
Ankadifotsy Befelatanana : tokantrano 12 lasibatry ny haintrano
Ravan’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy ny trano lehibe iray nisy rihana roa tao Ankadifotsy Befelatanana, omaly atoandro. Tokantrano 12 traboina. Niainga avy tamin’ny fifampikasohan’ny herinaratra, hotohoton’ny afo ny trano iray misy rihana roa tao Ankadifotsy, omaly atoandro tamin’ny 2 ora sy 36 minitra. Niainga avy tao amin’ny rihana farany […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahazo ny fandresena tamin’ny “Motocross Grand Prix 501” indray, i Claudio Tida, Malagasy mpilalao Motocross, ny alahadin’ny paka lasa teo. Fifaninanana natao tany Datsara Village Toamasina. Tsiahivina fa mbola mitarika vonjimaika, laharana voalohany, amin’ity fifanintsanana ity i Mathias Plantive, nahazo fandresena telo tamin’ireo dingana dimy efa vita. Nifarana ny 29 […]
Tsipy kanetibe: hanomboka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara
Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny 5 hatramin’ny 7 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “seniors”, lehilahy, lalaovin’olona telo, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM). Homena 750 000 Ar izay […]
Pancrace International: resin’i Mostepha i Xavier Fandihana
Notanterahina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 31 marsa lasa teo, ny Pancrace sy K1. Fihaonana iraisam-pirenena nokarakarain’ny vaomiera malagasin’ny pancrace sy ny submission (CMPS). Nifanandrinan’ny Malagasy sy i La Réunion. Fandresena 4 ho an’ny vahiny, raha 1 ny an’i Madagasikara. Anisan’ny nibatan’ny Malagasy medaly volamena, ny nandresen’i Star […]




