Mois : avril 2024

HCDDED: mampihatra ny politikam-pitsitsiana

Hahena ny isan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Filan­kevitra ambony ho an’ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), araka ny fampitam-baovao iray eo anivon’ ity rafi-panjakana ity. “Tafiditra amin’ny politikam-pitsitsiana ny fampihenana ny isan’ireo mpiasa. Anisan’izany ireo mpanolotsaina teknika sy ny misahana ny iraka, “Conseillers technique sy Chargés de mission) eto anivon’ity […]

INDRAY MIJERY

Nanome toky ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa miasa andro aman’alina ny ekipa mpikirakira ny vatsim-pianarana, hanenjehina ny famoahana izany amin’ny tetiandro efa napetraka. Ezahina ho voahaja ny 24 aprily, hizarana izany. Heverina hitondra fahombiazana amin’ny tetikasa andrana atao amin’ny kilasy T2 […]

Lions Club: hijery ifotony ny asa atao ny filoha Brian Sheehan

Tonga eto Madagasikara ny filohan’ny fikambanana Lions Club International Foun­dation (LCIF), Brian Sheehan, sy Rtoa Lori, vadiny. Asa sosialy tena hataon’ny Lions Club Madagasikara, distrika 417, ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny hanoanana. Toy ny fitiliana ny areti-maso katarakta sy ny fizarana solomaso, ny diabeta, ny […]

Fiovaovan’ny toetr’andro: ankizy 45 tapitrisa mizaka ny vokany

Iharan’ny vokatry ny hafanana sy ny haintany ny firenena maro aty Afrika, atsimo sy atsimo atsinanana, izay vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Ankizy 45 tapitrisa no mizaka ny vokatr’izany, toy ny valanaretina kolera, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tondradrano …, araka ny fanambaran’ny Unicef momba ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka nanaovany […]

Orinasa Star: hetsika tontolo iainana sy fahasalamana tany Antsirabe

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, misy ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Hetsika roa no nataony tany Antsirabe, nandritra ny fetin’ny Paka, ny faran’ny herinandro teo, ny 27, 28 ary ny 30 marsa, nifanandrify tamin’ny hetsika ara-kolontsaina sy toekarena, ny Star Tour, fa­nao isan-taona any an-toerana. […]