Mois : avril 2024

Vokatry ny rivodoza Gamane: Maika ny fanarenana ny simba

Nijery ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Maika ny fanarenana ny simba, indrindra ny hamerenana ny fifamoivoizana. Anisan’ny tena voa mafy vokatry ny rivodoza Gamane, ny herinandro teo, ny tapany avaratry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny famonoana ho faty ny mpisolovava, Rasamoelinirina Zakanarivo Andry, any Nosy Be ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, araka ny fanambarany. “Enjehin’ny lalàna manan-kery ny famonoana olona. Mihatra ho an’ireo meloka ny lalàna koa mandray ny andraikiny avy hatrany ny fitsarana”, hoy izy. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo, […]

Fikarakarana dosie: namoaka laharana maitso ny Ceni

Namoaka laharana maitso ny eo anivon’ny Ceni manoloana ireo mety ho olan’ny kandidà na koa fangataham-panazavana sy fanontaniana momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina. Anisan’izany ny laharan-telefaonina, 034 30 810 01. Ankoatra izany, afaka manatona ny eny anivon’ny rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny antontan-taratasy (Ovec) eny anivon’ny distrika koa ireo […]

Mitsangana amin’ny mety

  Vita iny ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Nitondra inona eo amin’ny fiainan’ny tena na ny tsirairay? Mba tsy hoe mahazatra na fombafomba, na sanatria tsy nasiana heviny sy tsy nomen-danja fa mandeha ho azy. Mandeha hatrany ny fiainana… Mby aiza? Fitsanganana tamin’ny maty ny hoe Paka. Mba misy koa […]