Efa manana ny toerany ny gadona Reggea, raha ny eto Madagasikara, hoy ny tomponandraikitry ny “Fianara Reggea Festival”, hetsika natokana hanandratana ity gadona ity eto amintsika. Notanterahina tany Fianarantsoa, ny 29 hatramin’ny 30 marsa 2024, ity hetsika ity, raha tsiahivina. Maro ny mpankafy niatrika ary samy afapo ny rehetra. Hipoka […]
Mois : avril 2024
“Mifampitantana 2024” : samy afapo ny rehetra
Tontosa ny alahadin’ny Paka, teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny « Mifampitantana 2024 ». Fampisehoana niarahana tamin’i Poopy sy Bodo. Seho feno ary matihanina tanteraka no hita teny an-toerana. Samy afapo ny rehetra, na ny mpikarakara na ny mpanakanto nandray anjara, na ny mpijery. Mbola tena maro mpankafy ary […]
Paka Antsirabe: mitoetra hatrany ny lazan’ny “Star Tour”
Tomefy olona hatrany! Tsy naharava ny fety ny orana latsaka fa nilanonana nandritra ny telo andro nisesy Antsirabe, nandray ny “Star Tour”. Efa tafapetraka ny anarana. Tsy afa-misaraka intsony amin’ny fetin’ny Paka, izay efa mahoraka hatramin’izay eto Antsirabe, ny “Star Tour”. Telo andro an-danonana, nanomboka ny sabotsy ka nifarana omaly […]
Rakotondrazafy Lalatiana : “Tsy misy fepetra ny fanalana depiote”
“Tsy misy fepetra manokana ny And. 72 amin’ny Lalàmpanorenana, natao ho an’ny mpikamban’ny birao maharitra na ho an’ny filohan’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny faramparan’ny herinandro teo, ny amin’ny fangatahan’ny vondrona IRD ny fanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tsy ho depiote intsony. Rehefa […]
Ratsietison Jean-Jacques : “Andeha hiaro ny safidy tsy hisian’ny hosoka”
“Andeha isika hiaraka hiaro ny safidintsika mba tsy hisian’ny hosoka amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI-Ma) mpikamban’ny vondrona Kôlektifa an’ny Malagasy, Ratsietison Jean-Jacques, momba ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Raha mbola adalain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny tena: iza no hanasazy ny […]




