Mois : avril 2024

Andrey Andreev: « Manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara i Rosia »

Manamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’i Madagasikara i Rosia. Voakasik’izany avokoa ny sosialy sy toekarena ary ny lafiny ara-tafika sy fiarovana. Dinidinika tamin’ny Ambasadaoro Andrey Andreev. Gazety Taratra (*) : Toa inona ny fivoaran’ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Rosia? Lafiny inona avy no iarahana miasa? Andrey Andreev (-) : Fifandraisana ara-pirahalahiana tsy tontan’ny […]

Nosy Be : voasambotra ilay nanindrona antsy mpisolovava

Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray namono nahafaty ny mpisolovava iray tao amin’ny Bazary Kely Andavakotoko, kaominina Nosy Be, ny 30 marsa teo. Hamonjy tsena io mpisolovava fantatra amin’ny anarana Rasamoelina Andry io. Miasa ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao an-toerana izy. Tsy nanampo na inona na inona, notsindromin’ny lehilahy […]

Saika ho any Mayotte : mpiondrana antsokosoko 25 tratra

Teratany somaliana 16, ethiopiana efatra niampy kenyana iray sy Malagasy efatra nosamborin’ny zandary teo am-pikasana hihazo ny seranan-tsambo Antsahampanjo Ambanja, ny alin’ny sabotsy 30 marsa teo tamin’ny 9 ora alina. Naharay loharanom-baovao momba ny fisian’io mpiondrana antsokosoko io ny mpitandro filaminana ka nanao vela-pandrika. Tra-tehaka hatramin’ny mpamilin’ny fiara nitatitra ireo […]

Natory ny mpamily : Taksiborosy nivarina tany anaty hantsana

Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena faharoa ny tovovavy iray mpianatr’i Barikadimy Toamasina, ny zoma alina teo. Nandray taksiborosy niainga avy ao Toamasina hihazo an’Antananarivo izy, kanjo izao tra-doza izao. Teo amin’ny 1 km tsy hidirana ny sampanana Andasibe no nitranga ny loza, ny sabotsy maraina tamin’ny […]