“Na dia mitombo aza ny famokarana noho ny fampiofanana omen’ny matihanina amin’ny sehatry ny fiompiana, dia mbola tsy ampy ny tolotra sy famatsiana hamaliana ny tinady”. Anisan’ny hevitra nivoitra io nandritra ny Foire de l’élevage et de la production animale (Fepa), andiany faha-16, ny 25 hatramin’ny 28 avrily teo, teny […]
Mois : avril 2024
Fanatsaram-bokatra: hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina
Ho fanamafisana ny Politikam-panjakana amin’ny fanatsarana ny voka-pambolena, natomboka omaly ka haharitra dimy andro ny atrikasa « Forum du conseil agricole (FCA) » ho fampiofanana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina momba ny fomba fiasa eny ifotony. Hiompana tanteraka amin’ny « agro écologie » ny atrikasa, entina hanampiana ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny fanapariahana ireo fomba fiasa […]
Fandraharahana: misokatra ho an’ny orinasa ny vovonana Mansa
Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ny fametrahana vovonana ifanakalozan’ny samy mpandraharaha. Anisan’izany ny vovonana Africa Trade Gateway (ATG) sy ny Mansa Digital Initiative, sahanin’ny African Export-Import Bank (Afreximbank). Tonga eto Madagasikara ireo delegasiona avy amin’ny Afreximbank hanentana ny sehatra tsy miankina, ny rafitra mpandraharaha ara-bola, ny orinasa salantsalany […]
Filoha Rajoelina Andry: mitady famatsiam-bola momba ny toetr’andro
Manao adisisika amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, any Kenya. Miompana betsaka amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa fiarovana ny fiovaovan’ny toetr’andro izany. Nanomboka omaly, ao Nairobi Kenya, ny fihaonana an-tampony faha-21 ataon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny International Development Association (IDA). Fihaonana entina hanampiana ireo tetikasa ara-toekarena sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Misy fifangaroana ny menaka ao amin’ny gropy G2 any Andekaleka, omaly. Voatery najanona ny milina, ka mety maharitra adiny 7 ora ny fanamboarana azy. Misy, araka izany, ny fanapahana mihodina ny famatsiana herinaratra ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 2 ora isaky ny toerana ny fanapahana. Nihaona […]




