Vita ny tohodranon’i Beraketa, manondraka ny lemak’i Behara, kaominina Behara, distrika Ambosary, faritra Anôsy. Tanteraka izany, noho ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny famokarana (IDA), ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Araka izany, afaka manatanteraka voly avotra ny tantsaha. Natao ny 26 avrily teo ny fizarana […]
Mois : avril 2024
Tetikasa Produir: Mandroso ny asa fanarenana ny lakandrano C3
Miisa 8 ny ampahan’ny asa ataon’ny tetikasa Produir amin’ny lakandrano C3, mitotaly 6 km. Miainga eny amin’ny fanangonan-drano eny Anosibe, ny lakandrano C3, ny fokontany Anjezika, Cenam. Nahita ny fiovana goavana sy ny fivoarana ny mponina eny amin’ny III G Hangar. Efa saika nihotsaka ny sisin-tatatra amin’ny lakandrano C3. Efa […]
TARATRY ny KANTO
Halevina rahampitso i Lalie. Araka ny fandaharam-potoana avy amin’ny fianakaviany, handrasana ao an-tranony ao Ambohimiandra ny nofo mangatsiakany. Rahampitso alarobia 1 mey, amin’ny 11 ora kosa no hoentina hatao veloma farany ao amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, mialoha ny hanitrihana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimalaza. Tontosa omaly, teny amin’ny […]
Festival Madagascar : hampahafantarana ny haikanto sy ny haisoratra
Tanterahina ny 3 sy 4 mey 2024, ao amin’ny Centre Victoire Tinayre, Paris-France, ny «Festival Madagascar: Culture et Solidarité ». Hetsika karakarain’ireo fikambanan’ny Malagasy misehatra eo amin’ny haikanto sy haisoratra monina any ampitan-dranomasina. Fijerena horonantsary, tafa sy dinika, atrikasa ary fampisehoana no handravaka ny fandaharam-potoanana amin’izany. Ankoatra ny fampitomboana ny fifandraisana […]
Andro maneran-tany ho an’ny dihy: hitohy amin’ny faran’ny herinandro ny fankalazana
Mila hasongadina ny tontolon’ny dihy. Niraisan’ireo mpandihy sy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina io. Tsy omaly ihany fa hitohy amin’ny faran’ny herinandro izao ny hetsika marolafy momba ny dihy. 29 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Manamarika izany isan-taona ireo mpandihy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny hetsika marolafy. Tsy najanona ho […]




