Raha oharina tamin’ny folo taona lasa, hita ho niha narisika ny ankizy sy ny tanora ankehitriny amin’ny famakiana boky, araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ny tombontsoa azo avy amin’izany ny fikolokoloana ny saina sy ny fanitaram-pahalalana. Fototra, manana ny lanjany lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny vaky boky. […]
Mois : avril 2024
FANTINA sy FINTINA
Nandefa taratasy any amin’ny FMI ny Kolektifa momba ny fifampiraharahana amin’ny volan’ny Fec sy ny FRD. “Takinay ny mangarahara amin’izany. Tokony horaisina koa ny hevitr’ireo mpisehatra ara-toekarena eto amintsika ary hampandalovina ny Antenimiera vaovao, ny jona izao, izany mba hiantraika amin’ny aty vilany ny fifanarahana”, hoy izy ireo. “Hanova ao […]
Fampielezan-kevitra mialoha : mitaky porofo marim-pototra ny Ceni
Mampiaka-peo amin’ny fahitana tsy fanarahan-dalàna etsy sy eroa, amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny sasany amin’ireo kandidà hofidina solombavambahoaka. Nitondra valin-kafatra momba izany ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa horaisina ny fepetra raha tena miseho tokoa izany. “Mitaky porofo izahay ahafahana manaraka sy mikarakara izany. Porofo […]
Samy miaro ny rambony
Iray volana karotra omaly ny daty hanatanterahana ny fifidianana depiote eto Madagasikara. Samy efa manovokovoka amin’ny vakilain’ny fampielezan-kevitra avokoa ny kandidà sy ny mpanohana. Ny sasany aza efa tsy mahatsapa tena intsony hoe mbola afaka herinandro vao misokatra ilay andro malaza. Tsy mahagaga anefa izany, efa fomba fiady eto […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : “Atsaharo ny fanagadrana ben’ny Tanàna!”
Nanamarika ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, ny momba ny ben’ny Tanàna. Maro no enjehina sy any am-ponja. Tokony hatsahatra aloha ny fanenjehana azy ireny. Hentitra ary nahitsy ny eo anivon’ny MFFT, manoloana izany. “Atsaharo mihitsy aloha ny fanenjehana sy fanagadrana […]




