Mois : avril 2024

Basikety – OQT Debrecen : hiofana any Serbie ny Ankoay 3×3

Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga […]

INDRAY MIJERY

Nifarana ny zoma teo ny fara fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Ny 11 mey kosa no hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Ny 22 jolay ka hatramin’ny 26 jolay kosa ny fanadinana ho an’ny sokajy ankapobeny ary mitohy hatramin’ny 1 aogositra izany, ho an’ny sokajy teknika. […]

Toetry ny andro: Ora-mikija any avaratry ny Nosy

Mikisaka mianatsimo ilay tangoron-drahona mitondra orambe sy rivotra any avaratry ny Nosy, hoy ny Meteo Mada­gasikara. Raha ny anton­tan-kevitra voaray dia mbola tomombana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny tontolo hivoarany na dia malefaka aza ny tsiokan’ny talio. Misongadina kosa ny hafanan’ny ranomasina izay manome vahana izany fivoarany izany (28 – 30°C). […]

ESPA: novatsiana fitaovana ny Atelier LuBan

Nahazo fitaovana fanatsarana ny fampianarana ao aminy indray ny sekoly ambony politeknika (ESPA). Tafiditra ao anatin’ ny andiany faharoa amin’ny tetikasa Atelier LuBan, mikendry ny hanamafisana ny lalam-piofanana injeniera mekanika sy teknolojia momba ny informatika, ny famatsiana ireo fitaovana ireo. Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo Sinoa manampahaizana, teknisianina, hizara fiofanana […]

Fandaharanasa Rindra : nahazo fampitaovana informatika avo lenta ny INFA

Hanatsarana ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazan’ny governemanta, hampihenana ny olana politika miverimberina no nametrahana ny fandaharanasa Rindra. Mitentina 23 000 dolara ny fampitaovana ny toeram-panofanana, ahitana ordinatera 25 sy ny kojakoja samihafa miaraka amin’ny « vidéo-projécteur », « écran de projéction » ho an’ny ivontoeram-panofanana ny mpiasam-panjakana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana (INFA). Tohana avy […]