Mahoraka ny fanovana ny dahalo ho olom-banona any amin’ny faritra Menabe, tarihin’ny kolonely Faneva. Zatovolahy analinkisa no miriorio eraky ny tanàna fa “niova fo”. Mahafaly ny mponina any an-toerana izany. Mampitsiriritra ny any amin’ny faritra hafa, indrindra ireo toerana izay mbola hanjakan’ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny olon-dratsy. Voasoroka […]
Mois : avril 2024
Filohan’ny HCC : “Voararan’ny lalàna ny fitsikerana didim-pitsarana”
Nampitandrina ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, manoloana ireo resabe tato ho ato. Anisan’izany ny momba ny didy sy ny fanapahana raisin’izy ireo. “Misy ny lalàna eto amintsika, ny And. 126 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana milaza mazava tsara fa tsy azo atao fa mahavoasazy ny mitsikera na manaratsy didim-pitsarana”. Io no […]
TSELATRA
Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Naka fitaovana toy ny fahitalavitra sy kiraro ny roa lahy. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny tao Amboronomby kosa ny roa lahy hafa. Vilany dimy sy finday no tratra teny amin’izy ireo. Raim-pianakaviana sy ramatoa iray maty tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo […]
Talatamaty : mpanao taxi-moto maty nohosen’ny kamiao
Mpanao taxi-moto iray maty nipotsaka atidoha vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Bel’air, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alakamisy 18 avrily tamin’ny 9 ora sy sasany. Niandry mpandeha teo amin’ny sisin-dalana niaraka tamin’ny namany io mpitondra moto io. Nandalo tampoka anefa ny kamiao lehibe iray nitodi-doha hihazo ny lalan’ Ambohidratrimo. Nianjera ilay mpanao […]
3 tapitrisa Ar voaroba : raim-pianakaviana voatifitra
Voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny tanany ny raim-pianakaviana iray, nandritra ny fandrobana nataona dahalo tao Mangasoavina, distrika Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Mody nandodona tao an-trano, nitady vonjy fa misy olona marary mila fanafody maika ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Namoha ny varavarana ny tompon-trano sady nitazona basy. Nahita io raim-pianakaviana io […]




