Fikambanan’ny zanaka Antesaka : “Takinay ny hamoahana ny kandidà Mahavitara”

Hentitra ny fitakian’ny fikambanan’ny zanaka Ante­saka monina eto Antana­narivo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo afakomaly, tetsy Andrefan’Ambohi­jana­hary. Manome 48ora, hatramin’ ny omaly, ho an’ny fanjakana izy ireo hamoahana ny kandidà avy any Vangain­drano, i Mahavitara Sylvestre, voafonja vonjimaika eny Antanimora. “Haka ny fepetra rehetra izahay rehefa tapitra io fe-potoana io”, hoy ny mpikambana, i Oscar. Nohitsin’izy ireo fa tena iharan’ny antsojay io kandidà io na eo aza ireo dingana samihafa efa nataon’izy ireo ho amin’ny fifampiresahana. Anisan’izany ny fangatahana fihaonana nataon’ireo olobe sy ampanjaka Ante­saka amin’ ireo tomponandraiki-panjakana. “Efa herinandro maromaro izany saingy tsy nahitam-baliny”, hoy ihany izy ireo.
Etsy andaniny, nambarany koa fa misy ny mizana tsindrin’ila. Notsiahiviny ny kandidà zanak’Antsirabe notanana vonjimaika tany am-ponja iray andro ary navoaka avy eo. Misy fitongilanana eto ary tena mahagaga izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
“Voarara hatramin’ny fahazoanay mamangy an’io zanakay io”, hoy izy ireo.
Niantso ny filohan’ny Repoblika ny zanaka Ante­saka eto Antananarivo mba hijery akaiky izao raharaha izao, mialoha ny hakan’izy ireo ny fepetra rehetra.
Tsiahivina fa ahina ho voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bola tao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana i Ma­havitara Sylvestre ka nosamborina ny 8 avrily teo.

Synèse R.

Partager sur: