Filohan’ny HCDDED: “Zava-dehibe ny efa firosoana amin’ny demokrasia”

Nambaran’ny filohan’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCD­DED), Ranadialison Angelo, fa tsy mbola tonga lafatra isika amin’ny demokrasia. “Tsy azo atao ny mitompo teny fantatra fa efa tonga amin’ny tanjona isika. Efa zava-dehibe anefa ny firosoana tsikelikely sy miandalana amin’izany dingana ho any amin’ny demokrasia izany. Anatiny isika amin’izao fotoana izao”, hoy izy, teny Alarobia, afakomaly. Nitsidika sy noraisin’ny filohan’ny Ceni, Andrianari­sedo Dama Arsene, ireo mpikamban’ny HCDDED. Notsia­hiviny fa anisan’ny andraikitra voalohany ho azy ireo ny fanomezan-danja ny demokrasia ka tokony haseho amin’ ny alalan’ny fifidianana iza­ny. Anisan’ny rantsana manomana sy manatanteraka izany ny Ceni. Rariny raha misy ny fiaraha-miasa araka ny lalàna eo amin’ny roa tonta mba ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, ho tratra ara-potoana avokoa ireo tetiandrom-pifidianana araka ny nanomana azy raha ny nambaran’ny filohan’ny Ceni. Notsiahiviny fa efa ao anatin’ny fanontana ny biletà tokana ho an’ireo kandidà izao izy ireo. Eo koa ny fanofanana ireo mpisehatra rehetra ka ahatrarana ny vina ho amin’ny zotram-pifidianana andraisan’ny rehetra anjara, araka ny nambarany. “Efa miroso isika izao ary tsy misy olana ny ahatongavan’ny biletà tokana ara-potoana eny amin’ny biraom-pifidianana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: