Minisitra Andriantsitohaina Naina : zava-dehibe ny fiarovana amin’ny tondradrano

Nahazo fitaovana hanamafisana ny fitantanana ireo lakandrano eto Antananarivo sy ny manodidina ny eo anivon’ny Sampandraharaha miaro ny lemak’Antananarivo (Apipa). Nanambara ny maha zava-dehibe izany, ny minisitra Andriantsitohaina Naina.

Hihena tsy ho toy ny taloha ny ho fiantraikan’ny fiakaran’ny rano. Nam­baran’ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andri­an­tsiatohaina Naina, fa ani­san’ny tetikasan’ny minisitera ny Produir. Misahana an’Anta­na­narivo sy ny manodidina izany amin’ny fiarovana ny tondradrano sy ny mponina. Notsin­driny fa efa tafapetraka ny milina matanjaka, mpiteraka angovon’aratra. Ahafahana mampihodina ny fikorianana sy ny famoahana ny rano izany raha misy fahatapahana ny jiro na tsy fahampian’ny herinaratra. “Efa vonona ny Apipa amin’ny famoahana ny rano amin’ny lemak’Antananarivo”, hoy izy teny amin’ny Apipa Ambo­dimita, afakomaly. Notsi­ahiviny fa maherin’ny enina hetsy ireo mponina mipetraka amin’ny lemaka. Ho voaaro ny ampahany betsaka amin’ izany.

Fitaovana antitra

Ankoatra izany, nisitraka kamiao miisa telo sy “Engin” hanohizana ny asa fanadio­vana ireo lakandrano koa ny Apipa. “Ho vita mialoha ny faran’ny taona izany. Hitohy amin’ny fanalana ny fota-mandrevo amin’ny “Canal C3″, ahafahana miatrika ny rivodoza sy ny fiakaran’ny rano”, hoy hatrany ny minisitra. Nanteriny fa mitohy hatrany ny fanadiovana sy ny fanatsarana ary ny fanarenana ireo lakandrano. Tahaka izany koa ireo lakandrano madinika. Nambaran’ny minisitra fa efa nisy ezaka na­nalana fotaka. Miroso amin’ny dingana lehibe kokoa izao, hovitaina indray mandeha izany. Hisahana ny fikojako­jana kosa avy eo ny Apipa. “Mba tsy iandrasana azy ho efa tsentsina tanteraka vao hodiovina”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny fa sady antitra no vitsy ny fitaovan’ny Apipa. Nankasitrahany manokana, araka izany, ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ ny fampitaovana.

Synèse R.

Partager sur: