TSELATRA

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nanendaka vehivavy miisa roa teny Ambohibao, omaly. Voa­rakitra tao anatin’ny horonantsary azon’ny « caméra de surveillance » ny endrika sy ny akanjon’io olon-dratsy io ka noraisim-potsiny. Naverina amin’ny tompony ny entana halatra.

Jiolahy mpanendaka sady mpanolana tovovavy izay lasibatry ny asa ratsiny amin’ny alina lavon’ny zandary tao Toamasina, ny alahady 28 avrily lasa teo. Sarona teny aminy ny sarintsarina fitaovam-piadiana nampitahorany ireo olona sendra azy. Basy plastika niampy famaky izany.

Mpandeha miisa efatra naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito rehefa hiditra ny tanànan’Ambalavao, afakomaly maraina. Niainga teto an-dRenivohitra ary nikasa hihazo an’i Toliara io fiara tra-doza io. Tsy nisy ny aina nafoy.

Nohazonina vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nisandoka andraikitra ho mpiasan’ny fiadidiana ny Repoblika, tao Tanandava Toamasina, afakomaly. Nana­kana fiara lehibe miisa roa tao Andalamahitsy izy. Nora­honany ny mpamily ireo fiara ary tsy navelany nihetsika nandritra ny fandalovan’ny zandary. Noraisim-potsiny ity farany.

Partager sur: