Mikarakara hetsika ny OJM hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, anio. Anisan’izany ny etsy amin’ny tsangambato Analakely, ny adihevitra eny amin’ny Havoria Anosy ary koa ny fizarana valisoa tamin’ny fifaninanana “Grand prix Malina”. Eo koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy korana, rahampitso.
Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana, araka ny nambaran’ny kandidà depiote avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy, Andrianainarivelo Hajo, ny alarobia teo, teny Fieferana Avaradrano. Nambarany koa fa mila mahazo tombony sy mahatsapa vokatsoa amin’ireny famatsiam-bola avy any ivelany ireny ny vahoaka, manomboka izao.
Nandraoka fako sy nanadio tatatra ary nanamboatra lalana niaraka amin’ny fokonolona ny kandidàn’ny Firaisankina, boriborintany II, ny depiote Rastany, afakomaly. “Efa nitaraina tamin’ireo tomponandraikitra izahay saingy tsy nisy valiny izany ka izao iarahanay miasa amin’ny depiote izao ny fanatanterahana izany ho tombontsoam-bahoaka”, hoy ny mponina.




