Tsy nitsitsy fitenenana momba ny fomba fanaovana politika sy ny antoko politika ny eo anivon’ny MFM. Tsy mandeha amin’ny laoniny izany, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo.
“Raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana ataontsika eto, fa tsy raharahan’ny olona manana eritreritra hampandroso ny firenena sy ny antoko politika. Tsy misy lanjany intsony ankehitriny ny antoko politika, satria nopotehin’ny fanjakana ny hasin’ny antoko politika”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace, manoloana ny fiatrehan’ny antoko politika ny fifidianana depiote amin’izao. Inona ny hery sisa? Mivondrombondrona manao firaisankina, kôlektifa, Irmar… Izany ny fanaovana politika misy eto. Mitambatra avokoa ny manana foto-kevitra sosialista, kominista, liberaly… Fiarahana mifanohitra amin’ny natiora ireo.
“Izany ny fomba fanaovana politika amin’izao, satria maika hamonjy seza”, hoy izy. Tsy omen-danja ny fanaovana politika, fa tsy misy tanjaka ny antoko.
Sakana ny anto-bola hilatsahan-kofidina
Eo amin’ny vola aloha izay: sakana amin’ny fisian’ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina ho depiote 20 tapitrisa Ar, ohatra. Nefa manabe olona sy fiarahamonina isan’andro ny antoko politika, izay heverin’ny olona sasany fa hoe mpitady seza. Izay ilay hoe potika ny fanaovana politika. Anjaran’ny antoko politika izany fifidianana izany. Mila resahina maharitra ny momba ny antoko politika, ny famatsiam-bola azy, ny lalàm-pifidianana… Ny lalàm-pifidianana no fototra mety hahombiazan’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Ny mpitondra tsy vonona hanao an’izay dia tsy ho any amin’ny fampandrosoana izy, araka ny nambarany.
R. Nd.




