Raharaham-pirenena : hivory haka fanapahan-kevitra ny FFKM

Hivory ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM amin’ity volana mey ity. Anisan’ny hodini­hin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ankapobeny.
Tsy mbola voafaritra ny daty hanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana. Tombanana ane­fa fa tsy ho aorian’ny Pan­tekoty izany satria hamoaka ny hafatra, tahaka ny mahazatra ny eo anivon’ny FFKM, amin’io fotoana io.
Tsy azo ihodivirana, araka izany, ny handinihan’izy ireo ny fiainana anatin’ny fiangonana efa-tonta. Eo koa anefa ny raharaham-pirenena, amin’ ny ankapobeny. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka, ny 29 mey izao. Efa nanao antso avo ny FFKM, ny 19 marsa teo, tamin’ny fanambarana nataony ary nanamafy ny hafatry ny komity foibe faha-45 tany Fianarantsoa, ny taona 2023. “Miantso ny kristianina sy ny vahoaka handray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena ka handehanantsika manatona ny biraom-pokontany”, hoy izy ireo. Nentanin’ny fiangonana ny rehetra hanamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana. Tokony hovitaina mialoha ny 15 mey izao izany mba hahafahana mandray anjara amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena, araka ny fanambarana.
Notsiahivin’ny hafatra koa ny hasarotry ny fiainana noho ny vidin-javatra ilaina andavanandro miakatra sy ny tsy fandriampahalemana. Niantso ny rehetra tsy hiraviravy tanana kosa anefa ny FFKM manoloana izany.

Synèse R.

Partager sur: