FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. “Aoka samy handray andraikitra tandrify azy sy hiara-kientana ary hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka, indrindra ireo marefo amin’ny fanapariahana ny hazavana ho anao”, hoy izy. Nanteriny fa laharam-pahamehana izany ary mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka.

Handray anjara amin’ny fivoriana isan-taona momba ny fampiasam-bola any Dubai ny filoha Rajoelina Andry. Hanomboka ny 7 mey izao izany ka anisan’ny hodinihina ny fanamby ara-toekarena sy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bolan’ny firenena tsirairay. Handray anjara amin’izany ireo mpitondra fanjakana maro sy ireo mpampiasa vola.

Voatendry ho governora mpisolo toerana any amin’ny faritra Bongolava, Ramamonjisoa Haja Hantenaina, tamin’ny filankevitry ny minisitra. Tahaka izany koa ny nanendrena an-dRamanana Gilbert ho governora mpisolo toerana any amin’ny faritra Vatovavy. “Hisahana ny fampandehanan-draharaha fotsiny ihany izy ireo”, hoy ny tatitra.

Nofanina sy nomena toromarika hiatrehina ny fifidianana ireo mpikambana ny eo anivon’ny vovonana Firaisankina, faritra Atsinanana sy Analanjirofo, afakomaly. Notanterahina tao Toamasina izany ary nitarika ny atrikasa ny avy eo anivon’ny foibe avy amin’ny Firaisankina. Eo koa ny avy amin’ny “Gouvernance électorale”.

Partager sur: